• Message from: Andry Rajoelina, President of Madagascar

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 17 febroary tolakandro ny fihaonana an-tampon’ny vondrona eoropena sy vondrona afrikana andiany faha-6. Mandray anjara amin’izany eo anilan’ireo firenen-kafa soloin’ireo filoha sy mpitondra fanjakana miisa 60 tena i Madagasikara.

Taorian’ny lanonam-panokafana dia nandray anjara tamin’ny adihevitra mikasika ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana ny delegasiona malagasy. Anisan’ny laharam-pahamehana amin’ireo Velirano nataoko ireo sehatra ireo.

Isan’ny noresahana tamin’izany ny sehatry ny angovo, indrindra ny firosoana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina na « énergie renouvelable », ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny sehatry ny fitaterana.

++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++

  • Message from : Andry Rajoelina, President of Madagascar

The summit meeting of European and African group 6th batch officially opened yesterday 17 February at noon. Madagascar participates in this next to other countries where 60 presidents and leaders are replaced.

After the opening ceremony, the Malagasy delegation participated in the discussion on climate change and environmental damage. These fields are part of the top priorities of the Commandments I’ve made.

The energy sector, especially the progress in using renewable energy or “renewable energy”, was addressing climate change and the transportation sector.
===================================================================